Tompondaka Nasionaly an-tsekoly : hifantenana mpilalao hiatrika fifaninanana

Hanomboka ny sabotsy 28 oktobra hatramin’ny alakamisy 2 novambra izao, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly an-tsekoly, eo amin’ny taranja baolina kitra. Tafiditra anatin’ny fandaharanasan’ny Kaon­federasiona Afrikanina ny baolina kitra “African Schools Championship” izy ity, iaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Sekoly avy amin’ny DREN miisa valo (Alaotra Mangoro, Amoron’i Mania, Atsinanana, Atsimo Andrefana, Betsiboka, Boeny, Fitovinany, Itasy) no mifaninana. Sokajin-taona 3 no mandray anjara, ahitana ny latsaky ny 15 taona zazalahy, latsaky ny 15 taona zazavavy ary ny latsaky ny 13 taona zazalahy. Kianja roa no hampiantrano ny fifaninanana dia ny etsy Mahamasina sy etsy Ankadivoribe. Mandritra ity fifaninanana ity, hisy ny fitiliana mpilalao, ka izay voafantina mandritra izany no handrafitra ny ekipa latsaky ny 15 taona zazalahy sy zazavavy latsaky hisolontena an’i Madagasikara any amin’ny “phase zonale”-n’ny “African Schools Championship”. Ho an’ny ligin’Atsimo Andrefana, efa nanainga omaly ny ekipa solontenan’izy ireo hiatrika ity fifaninanana ity. Misy ihany koa ireo avy amin’ny ligim-paritra hafa hanainga rahampitso.

Mi.Raz

Partager sur: