Hankalazaina rahampitso sabotsy 27 oktobra izao ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Judo. Tsy diso anjara amin’izany fankalazana izany i Madagasikara ka hisy ny hetsika hanamarihana izany etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Hisy ny fampivondronana ireo Malagasy Judokas amin’ny sokajy rehetra amin’io fotoana io.
« Karate Analamanga ». Hatao ny 4 novambra izao ny fiadiana ny tompondaka an’Analamanga, taranja karate. Eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano no hanatanterahina izany. Ny Kata sy ny Kumite, ho an’olon-tokana sy isam-bondrona no hifaninanana mandritra izany, ahitana ny sokajy Seniors, Juniors ary Cadets, lahy sy vavy.
Nahavita fahagagana ny ekipan’ny Paris Saint Germain, ny alarobia lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Parc de Princes France. Nomontsanin’ity klioba frantsay ity tamin’ny isa mavesatra 3 no ho 0 ny AC Milan Italie, nandritra ny andro fahatelon’ny fiadiana ny Tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”.
Efa anatin’ny fanomanana tanteraka ny ekipam-pirenena roa, Nouvelle Zelande sy Afrique du Sud amin’izao famaranan’ny Mondial Rugby, izay atao any France izao. Tsiahivina fa ny fihaonan’ny roa tonta, hotontosaina rahampitso. Marihina fa ny androany, nanao fanazarantena avokoa ireo ekipam-pirenena roa ireo.