Nambaran’ny mpitondra tenin’ny Sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (SMKAR), Raharijaona Jean François, fa anisan’ireo voaantso hitokona hampikatso ny asa izy ireo. Mpikambana feno eo anivon’ny Valaben’ny sendikà SSM izy ireo. Notsindriny anefa fa anatin’ny “Collectivité territoraile décentralisée – CTD” ka manana ny sata manokana mifehy azy noho izy “Service public, service essentielle”. “Efa nisy ny fifampidinihanay sy ny tomponandraikitry ny kaominina ary efa an-dalana ny vahaolana, nampitaraina ny mpiasa”, hoy izy.
Notsiahiviny fa maro ireo dinihina mialoha ny fanapahan-kevitra mba tsy hiteraka fifanomezan-tsiny. Ny vola ampidirin’izy ireo ihany no ahafahana mampihodin-draharaha eo anivon’ny CUA ary koa andoavana ireo karaman’ny mpiasan’ny fiadidiana ny Tanàna, Antananarivo. “Tsy mbola nisy kosa anefa ny fahatapahan’izany. Tetibola mahaleotena ny an’ny CUA ka eo am-panaovana ny «intégration» ho an’ireo mpiasa mbola tsy tafiditra ny tomponandraikitra”, hoy ihany izy.
Nanterin’ny eo anivon’ny SMKAR fa anisan’ny nodinihina sy nifampierana izany. Tsy entanim-po fotsiny izy ireo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra taorian’ny antso nataon’ny SSM. “Izahay rahateo mahaleotena amin’ny fanapahan-kevitra”, hoy izy.
Synèse R.




