Fanapahan’ny HCC : filoham-panjakana vonjimaika Ravalomanana Richard

Navoakan’ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), omaly, ny fanapahana amin’ny maha filoham-panjakana vonjimaika ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard.

Nilatsaka ny fanapahana avy etsy Ambohidahy momba ny fitantanana ny firenena ka nametrahana ny filohan’ny Antenimierando­ho­lona, ny Jly Ravalomanana Richard, ho filoham-panjakana mpisolo toerana. Hisahana izany andraikitra izany mandra-pahatongan’ny fianianan’ny filoha vaovao voafidim-bahoaka ny tenany.

Efa nilaza ny fahavononany hiantsoroka ny toeran’izany filoham-panjakana vonjimaika izany ity filohan’ny Antenimi­erandoholona ity. Tsy afaka miroso amin’izany anefa ny HCC raha tsy manontany ny hevitry ny governemanta. Tsy manana olana ary nanaiky izany ny eo anivon’ny governemanta ifarimbonana amin’ ny hiantsorohan’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ny andraikitry ny filoham-panjakana misolo toerana. Mazava ho azy, noho izany, fa tsy mipetraka ary tsy mitombina intsony ny andininy faha-120 satria ireo voakasika amin’ilay fitantanana vonjimaika ny firenana dia nifanaraka fa haverina amin’ny filohan’ny Anteni­mierandoholona ny andraikitry ny filoham-panjakana vonjimaika.

Antony manokana tamin-dRazafimahefa Herimanana

Tsiahivina fa noho ny antony manokana miankina taminy no nandavan’ny filohan’ny An­tenimierandoholona teo aloha, Razafimahefa Heri­manana, ny tsy fahafahany hiantsoroka ny andraikitry ny filoham-panjakana vonjimaika.
Araka izany, raha misy filohan’ny Antenimierando­holona vaovao ka vonona ny hiantsoroka ilay andraikitra dia tsy misy misakana izany raha toa ka manaiky izany ny governemanta ifarimbonana, voatendry ho filoham-panjakana vonjimaika, hamerina ny fahefana amin’ny filohan’ny Antenimie­ran­doholona.

Synèse R.

Partager sur: