Foara ho an’ny trano fonenana : nandray anjara hatrany ny Filatex

Nanamarika ny faha-25 taona nandraisany anjara tao anatin’ny foara ho an’ny trano fonenana ny vondrona Filatex. Naharitra efatr’andro ny fankalazana ny hetsika (19 – 22 oktobra 2023) ho fanamarihana ny tsenabe ho an’ny trano fonenana, andiany faha-11. Tao anatin’izay efatr’andro izay, marobe ireo mpitsidika ka nahafahan’ireo tomponandraikitra nanome fanazavana momba ny trano fonenana sy ny lafiny fananantany. Misy vondrona mikirakira ny lafiny fanorenan-trano rahateo eo anivon’ny Filatex. Nanome ny tsara ho fantatra, araka ny filan’ireo mpitsidika rahateo ny ekipa ao amin’ny vondrona Filatex. Anisan’ireo nandray anjara tamin’izany koa ny Haya Madagascar, tamin’ny alalan’ny fanehoana ny fahaiza-manao amin’ny fikirakirana haitao malagasy. Nohararaotina koa ity hetsika ity nampisehoana ireo mpitsidika ny vokatra rehetra. Nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Filatex fa fanainga ho an’ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara ny fanomezana tolotra tsara indrindra ho an’ny trano fonenana.

Jean Claude

Partager sur: