Minisitra Rivotiana : «Samihafa ny fitakiana sendikaly sy politika»

“Tsy tokony hafangaro ny fitakiana sendikaly sy ny fitakiana politika”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Asa, Rivotiana Jean Bosco, manoloana ny fitakian’ny sendikà ny hamahana ny olana politika. Ny fitakiana sendikaly dia natao ho an’ny tombontsoan’ny mpiasa sy ny momba ny asa. Toy izany, ohatra, ny amin’ny karaman’ny mpiasa, ny fahafahan’ny mpiasa, ny fahazoana fotoam-pialantsasatra… Fa ny ataon’ny sendikà eo anivon’ny mpiasam-panjakana amin’izao dia fitakiana mba hanarenana na hamahana ny olana politika. Tsy mety izany. Aleo ho an’ny mpanao politika ny momba ny politika. Izay koa no afangaron’ny fiarahamonina sivily, ny sendikà sy ny politika. Miainga amin’ny lalàna ny zava-dehibe indrindra.
Momba ny fitokonana ataon’ny vondron’ny sendikà eo anivon’ny mpiasam-panjakana amin’izao, tsara kokoa ny fitakiana sendikaly raha tsy ampiarahana amin’ny fitakiana politika amin’ny hoe hitokona ny mpiasam-panjakana satria tsy mety hifampidinika hamahana ny olana politika ny mpanao politika. Hiditra amin’ny fivoriana parlemantera amin’izao, ohatra, ny fehezan-dalàna momba ny asa. Efa eo anivon’ny filankevitry ny governemanta koa ny sata momba ny mpiasam-panjakana. Ireny no mitondra mankany amin’ny fahatsarana ary iarahan’ny sendikà maro izany.

R. Nd.

Partager sur: