Lavanty tany Toamasina : tsy nantsoina ny Antenimieran’ny Varotra

Nifarana ny fanaovana lavanty tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Nanatanteraka izany ny sampandraharahan’ny ladoany, ny orinasa SMMC, ny Mictsl, ny vadintany, ny Bianco. Nilaza ny tomponandraikitry ny ladoany Toamasina, Rakotonirina Hery André, nandritra ny fanokafana ny lavanty, ny 16 oktobra teo, fa antsoina ny Antenimi­eran’ny varotra sy ny indostria (CCI) raha ilaina. Tsiahivina fa nogiazan’ny fanjakana ny entana tsy nalain’ny tompony taorian’ny 15 andro, satria tsy nahaloa ny saram-pitahirizana, ka izao tsy maintsy natao lavanty izao.
Tsy manana birao sy trano fitahirizan’entana ao amin’ny seranan-tsambo ny CCI Toamasina ka tsy nahazo anjara tamin’ny vola avy amin’ny lavanty. Manana olana amin’ny lafiny fitantanana koa ny CCI Toamasina, toy ny fandinihana ny tetibola ho an’ny taona 2024. Misy ny fikasana hanangana fotodrafitrasa fitahirizana entana izy ireo saingy na ny vola hoenti-manana hanatanterahana izany aza tsy fantatra.

Sajo

Partager sur: