Sady tsy hita eny an-kianja miaraka amin’ny kandidà 10, no tsy manao fampielezan-kevitra tahaka ny laharana faha-3 sy faha-13 ary ny faha-11, Ratsirahonana Lalaina. «Miankina amin’Andriamanitra ihany ny fandaharam-potoana rehetra», hoy izy. Nisy, omaly, ny fiombonam-bavaka, niarahany tamin’ny ankolafin-kery sy vondron’olona samihafa. Hetsika nokarakarain’ny ekipa mpanohana azy, tao amin’ny hotely iray eny Andavamamba. «Mila miverina amin’Andriamanitra ny Malagasy. Mila mivavaka aminy isika mba hisorohana ny mety ho ady an-trano sy ny korontana. Raha mivavaka isika, mametraka feno eo am-pelatanan’Andriamanitra ny zava-drehetra dia hilamina sy hizotra amim-pitoniana ny fiainam-pirenena sy ny fiainan’ny Malagasy.», hoy hatrany izy.
Marihina fa mitondra ny laharana faha-9 ao anaty biletà tokana, Ratsirahonana Lalaina, izay zanaky ny mpanorina ny antoko Asa vita no ifampitsarana, AVI, Ratsirahonana Norbert Lala. Tsy nirotsaka amin’ny antokon-drainy anefa izy fa nisafidy ny fikambanana An’i Kristy.
Samy manana ny paikady sy ny lamina ireo kandidà saingy miavaka ny laharana faha-9, mihanona amin’ny fiankinan-doha amin’Andriamanitra.
Randria




