Fizahantany: nasongadina ny fampiasam-bola maitso

Fototra mampiroborobo ny fizahantany ny fampiasam-bola maitso anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana, noho izy miantoka ny fahatongavan’ny mpitsidika manodidina ireo valan-javaboahary.

Fizahantany sy ny fampiasam-bola maitso, io no lohahevitra tamin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ny sabotsy teo. Nodinihina ireo tolotra sy tetikasa entina hampivelarana ity sehatra ity amin’iny faritra iny. Manana tombony Alaotra Mangoro eo amin’ny fampiasam-bola maitso amin’ny firoboroboan’ireo trano fandrasaim-bahiny manodidina ny valan-javaboahary ao Anda­sibe. Anatin’izany ny fiarovana ireo biby sy ny tontolony. Indrindra ny varika, izay anisan’ny manintona mpizahatany hitsidika ny faritra. Nan­kalazaina ny zoma teo, tao Andasibe Maromizaha, ihany koa ny Androm-pirenena natokana ho an’ny varika. Nisy ny famelabelaran-kevitra hanentanana ny tsirairay hiaro ity biby tsy misy afa-tsy eto Madagasikara ity. Marihina fa voasokajy ao anatin’ny biby arovana indrindra eto Mada­gasikara ny Varika (Akomba, Maky, Gidro), araka ny lalàna navoakan’ny CITES.

Fampiroboroboana
Tsenam-barotra trandra­hin’ny minisiteran’ny Fiza­hantany sy ny ofisim-pirenena momba ny Fizahantany eto Madagasikara ny any Eoropa Atsinanana sy Pologne. Mihoatra ny 13 tapitrisa isan-taona ireo Polonais mivoaka ny fireneny. Mpizahatany avokoa ny antsasa-manilan’izy ireo. Antony mahatonga ny Nosy malagasy mandray an­jara amin’ny “Tour salon fair Poznan” andiany fahaefatra natao tany Pologne, ny 27-29 okotobra teo, ho fampaha­fantarana ny Nosy mala-
gasy. Tsena fahatelo amin’ny fahatongavan’ny mpizahatany ho an’i Madagasikara, mijanona latsaky ny 15 andro, i Pologne. Kendrena ny hisarihana ny mpandraharaha ara-pizahantany hahafantra ireo tolotra ananan’i Madagasi­kara.

Henintsoa Hani

Partager sur: