Marovoay : ho vita tsy ho ela ny centrale solaire

Anatin’ny politikam-panjakana ny fampiasana ny angovo azo havaozina ka anisan’ny nisitraka izany fotodrafitrasa izany i Marovoay. Ho vita afaka andro vitsy ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro (centrale Solaire na CS) ao an-toerana. Hanana tanjaka 500 KWc ity CS ity. “Vita 100 % ny fametrahana ireo «panneaux solaires» raha toa ka 75 % ny fahavitan’ny toeram-piasana misahana ny ara-teknika. Tontosa ihany koa ny fametrahana ireo andrin-jiro 32 isa, vita 100% torak’izay koa ny fampifandraisana ireo tariby mitondra herinaratra”, araka ny fanazavan’ny tale iraisam-paritry ny Angovo sy akoranafo (DIEH), Vavizara Sylvie. Notohizany fa tontosa 100 % ny fanaovana vovondrano izay mahatratra 13 m, ilaina amin’ny fampangatsiahana ireo milina mampihodina herinaratra.
Tsiahivina fa faritra maro eto Madagasikara no efa nametrahana tobim-pamokarana mandeha amin’ny herin’ny masoandro mba hisitrahan’ny daholobe herinaratra sy hanampiana ny tolotra omen’ny orinasa Jirama. Vokatra azo tamin’ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina no nahatanteraka azy ity.

Henintsoa H.

Partager sur: