Hisandratra ny toekaren’ny mponina ao amin’ny faritra avaratry ny Nosy. Napetraka any an-toerana ireo milina mpanondim-bokatra ho fampiroboroboana ny indostria eny ifotony. Milina fanamainana voankazo ho an’Antalaha sy Ambilobe, fanamboarana savony ho an’ny faritra Sambava. Milina fanamboarana chips ho an’ny distrikan’i Vohémar, fitotoana voamaina ho an’Ambanja ary fanodinana tantely ho an’i Nosy Be. Manomboka izao, horaisin’ny taninketsa indostrialy ny vokatr’ireo tantsaha mivondrona anaty kaoperativa. Tsy ho simba intsony na koa ho hangalarin’ny mpijirika ny vokatra. Araka izany, afaka hifaninana eo amin’ny tsenam-barotra, na eto an-toerana na any ivelany, ireo vokatra voahodina. Fantatra fa maherin’ny 50 ireo kaoperativana tantsaha ao amin’ny distrikan’Antalaha. Ao ireo mpamokatra akondro, mananasy, noni, sns
Manodim-bokatra
Nisitraka milina fanamainana voankazo i Ambilobe mba hahafahany manodina ireo vokatra mahabibo
20 000 t isan-taona. Manana ireo akora fototra fanamboarana savony kosa i Sambava ka nametrahana indostria hanatanteraka ny asa, hanalàna ny fahasahiranan’ny mponina. Nahazo milina fitotoana kakao ny distrikan’Ambanja mba hanatsara ny seha-pihariana. Mahatelina akondro 100 kg isan’ora kosa ny taninketsa indostrialy fanamboarana chips ao Vohémar. Milina hanodina tantely ho lasa vokatra ara-pahasalamana sy tsara kalitao kosa no anjaran’ny ao Nosy Be.
Henintsoa H.