Tetikasa Agoa: handray anjara i Madagasikara

Hanomboka ny alakamisy ka hatramin’ny sabotsy izao ny «Forum de coopération commerciale et économique» na ny Agoa eo amin’i Etazonia sy ny tapany atsimon’i Afrika izay atao any Johannesburg. Anisan’ny mandray anjara amin’izany i Madagasikara, misolo tena ny firenena ireo delegasiona samihafa. Mandritra ny fotoana, hisy ny fivoriana hiarahan’ny governemanta amerikana sy ny solontenan’ny firenena afrikanina miaraka amin’ny mpamatsy vola, hijerena ny fivoaran’ny Agoa. “Hodinihina mandritra ireo fotoana ireo ny fomba hampiroboroboana ny toekarena aty amin’ny kaontinanta afrikanina”, hoy ny fanazavan’i Joy Basu, tomponandraikitra ara-panjakanan’i Etazonia izay misahana ny raharaha eto Afrika.
Toa an’i Madagasikara, mitaky fepetra manokana ny fandraisana anjaran’ny hetsika. Ao anatin’izay ny fampiroboroboana ny toekarana, fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly. Tokony hanana paikady mandresy lahatra mba hahazoana famatsiam-bola avy any ivelany ary ny hampiseho ny fanajana ny zon’olombelona ireo firenena mpandray anjara. Ankilan’izay, manahy amin’ny toe-draharaha eto an-toerana fa indrindra ny fampiantoana ny Agoa eto Madagasikara ireo mpandraharaha samihafa.

Henintsoa H.

Partager sur: