Salon Voatra : be mpitady ny vokatra malagasy

Mivoatra sy mihatsara ny vita malagasy. Mahasarika ny besinimaro fa indrindra ny teratany vahiny ny asa tanana malagasy, porofo mivaingana nandritra ny hetsika “salon de la créativité Voatra” andiany faha-10, ny herinandro teo. Nampiranty ny fahaiza-ma­na­ony avokoa ireo mpandraharaha samihafa nandritra ny hetsika izay nahaliana ny mpitsidika. Samy afapo ny rehetra, na ireo mpandray anjara na ireo mpitsidika na ny mpikarakara ny hetsika. “Tombony taminay ny fandraisana anjara ny “salon Voatra”. Manomboka fantatry ny olona izahay ary betsaka ireo manontany ny vokatra ataonay”, hoy Ratsimba Henin­tsoa, mpandraharaha raphia, sambany vao nandray anjara tamin’ny salon. Notohizany fa tsara ihany koa ny tsena nandritra ny efatr’andro nanaovana ny hetsika. Manantena ny hitombon’ny mpanjifa ny tenany. Marihina fa manodidina ny 32 tapitrisa ny vokatra malagasy naondrana any ivelany raha toa ka 15 tapitrisa izany teo aloha.

Fihaonana
Fotoana nihaonan’ireo sa­my mpandraharaha ny salon Voatra. “Tonga nitsidika anay ireo mpandraharaha Israeli­a­nina ary nampanantena fa handray ny vokatra ataonay”, hoy kosa i Tiana, mandraharaha amin’ny tantely. Naha­ve­lombolo sy nampirisika ny mpandraharaha hivoatra ha­trany ny hetsika noho izy ahitana tombontsoa samihafa ra­ha tsy hitanisa fotsiny ny tohana omen’ny Antenimieran’ny indostria sy ny varotra (CCIA). Tanjona ny hampahafantatra ireo orinasa madinika sy sa­lan­tsalany nahavita nanao zavatra sy nampiroborobo ny fahaiza-manaony tao anatin’ ny 10 taona. Fa indrindra ha­nandratra ny vita malagasy. Tsiahivina fa miisa 60 ireo mpandray anjara ny hetsika. Nisy tamin’izy ireo no efa nisitraka fanohanana tamin’ny CCIA.

Henintsoa H.

Partager sur: