Fifidianana : resy lahatra amin-dRajoelina ny Fimpiva sy ny ADGA

Manao ranolava ny fanohanana ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry, amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Anisan’ny resy lahatra amin’izany ny mpivarotra sy ny mpanamboatra telefaonina.

Niantso ireo mpivarotra namany hampiasa ny fahefana amin’ny fandehanana mifidy ny Fikam­banan’ny mpivarotra eny Am­bohimanarina (Fimpiva). Nam­baran’ny filohany, Razafim­belo Tiana Olivier, fa efa hita ireo fotodrafitrasa maro sy ny firosoana any amin’ny fandaminana ny mpivarotra. “Mbola hitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny ben’ny Tanàna sy ny kandidà Rajoelina. Manantena fivoarana hatrany amin’ny asa fivelomanay izahay”, hoy izy. Nohitsiny fa efa teo amin’ny fitondrana ireo politisiana mpitarika grevy ireo ary tena mahatsapa ny fatiantoka aterak’izany amin’ny firenena. Eo ny ho fiakaran’ny vidin’ny PPN nefa inian’izy ireo atao ny fanakorontanana. Tokony ho reseny lahatra hifidy azy ireo mpanaraka azy ireo… Efa mba milamindamina ny mpivarotra sy mpanjifa ary velom-panantenana amin’ny ho avy ka tsy tokony hokorontanina ny fifidianana, araka ny nambaran’izy ireo. “Efa hitanay ireo na­tsangana ho fototry ny fampandrosoana ary ahafahanay mitady sy mivelona tsy misy kolikoly sy tahotra intsony koa tohananay ny kandidà Rajoelina, miara-miasa amin’ny ben’ny Tanàna noho ny zava-bitan’izy ireo”, hoy ny Fimpiva. Lalan-tokana hampilamina sy hampandroso firenena ny fifidianana, araka ny nambarany.
Resy lahatra hifidy ny kandidà laharana fahatelo koa ny fikambanana mpanamboatra finday etsy Analakely (ADGA), tarihin-dRasolonomenjana­hary Gérard. Nambarany fa nahitana tombontsoa mivantana izany ka hanohanan’izy ireo ny kandidà Rajoelina. “Noho ny fiaraha-miasany amin’ny ben’ny Tanàna no nahavitana io tsena lehibe eo Anosy ivarotanay io. Mbola tsy nisy nahavita toa azy ho anay mpandraharaha madinika”, hoy izy. Zanak’Ambatondra­zaka koa ny tenany ka resy lahatra koa amin’ny nahavitana ny lalana RN-44. Fana­ko­rontanana no ataon’ireo vondrona kandidà, manohitra ny fifidianana. Tsy ekena izany fa manelingelina ny fitadiavana, araka ny nambarany. Efa mizotra io ny fifidianana ka tsy tokony ho korontanina intsony. “Miantso antsika tsy ho voarebireby fa hanohy hatrany ny asa fitadiavana isan’andro ary ho tonga handray anjara amin’ny latsa-bato fa io ihany no tena anehoana ny safidintsika”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: