Klioban’ny EST: manome lanja ny fanatanjahantena sy ny fianarana

Tsy ny teo amin’ny spaoro ihany fa na ny teo amin’ny fianaran’ny ankizy, afapo tamin’ny vokatra azo tamin’iny taom-pilalaovana lasa teo iny ny teo anivon’ny fikambanana Espoirs sportifs de Tuléar, araka ny nambaran’ny filohan’ny EST, i Vital Serge.

Nambaran’ny filohany, Vital Serge, fa «tsy ny fanatanjahantena ihany no ao amin’ny klioban’ny EST fa tena manara-maso akaiky ny fianaran’ ireo ankizy mihitsy izy ireo». Efa nohamafisiny hatrany ny maha zava-dehibe ny fianarana ary tena hentitra izy satria misy ny tanjona tsy maintsy tratrarina ». «Tsy eo ambony kianja ihany no hanaovana fanamby fa amin’ ny fiainana koa», hoy hatrany i Vital Serge. Mila manao ezaka betsaka, hoy izy, raha te hanatratra ny tanjona. Namba­ran’ity filohan’ny klioba EST ity fa hajanon’izy ireo tsy ho mpikambana ao aminy mihitsy ny mpianatra iray tsy nahazo salan’isa. Ny ray aman-dreny, namana malala-tanana na eto an-toerana na any an-dilambato, mpiara-miasa, ekipa, staff teknika no nahazoana vokatra, ka notolorany fisaorana manokana. Ankoatra ny Cosfa, anisan’ny klioba na fikambanana ahitana taranjam-panatanjahantena manana ireo sokajin-taona isan-karazany ny EST. Raha atao jery todika ny vokatra azo tamin’ny taom-pilalaovana teo iny, nisongadina ny taranja handball, izay nanao pao-droa (minime sy cadet) tamin’ny fahazoana ny tompondakan’i Madagasikara. Ho an’ny basikety kosa, raraka tamin’ny manasa-dalana avokoa, saingy nandray anjara daholo ireo sokajin-taona rehetra, toy ny U-12/ 14/16/20. Tsy nisy amboara fa nisy ny lesona azo tsoahina. Nifanampy sy nandray anjara tanteraka ireo ray aman-dreny amin’ny fanatontosana ny zava-drehetra, misy manatrika sy manosika ireo tanora. Teo amin’ny taranja atletisma indray, nahafaly sy nihatsara isan-taona ny vokatra. Tsiahivina, efa mahatratra hatramin’ny 1 200 eo izao no isan’ny mpikambana ao amin’ ny klioban’ny EST. Hiezaka hatrany ny klioba hanatsara hatrany ny vokatra amin’ny taona hoavy.

Mi.Raz

Partager sur: