Handball – Mada “sénior” : hahemotra amin’ny taona 2024 ny fifaninanana

Noho ny antony tsy miankina amin’ny federasiona malagasin’ny handball (FMHB), tsy raikitra ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy “senior” lahy sy vavy, ho an’ny taom-pilalaovana 2023. Fiha­o­nana tokony ho natao tany Antsiranana, ny 13 ka hatramin’ny 21 oktobra lasa teo.
Araka ny angom-baovao, noho ny zava-misy eto amin’ ny firenena ny tsy nahazoan’ ny federasiona malagasy fahazoan-dalana, hanatontosa izany. Voatery hahemotra amin’ny fiandohan’ny taona 2024 io fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara io, araka ny fanadihadiana natao. Mbola hitady ny toerana afaka hampiantrano sy hijery ny daty hahazoana manatontosa izany ny federasiona. Marihina fa io fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy “senior” io sisa no hany tsy vita amin’ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasy, ho an’ity taona 2023 ity.
Ankoatra izay, notapahin’ ny AHBOI (Association de handball de l’océan Indien), taorian’ny fivoriana nampitain-davitra, natao ny talata 24 oktobra lasa teo, fa hahemotra amin’ny volana febroary 2024 ihany koa ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI). Fihaonana voalahatra hatao ny volana novambra ho avy izao atsy amin’ny Nosy Rodrigues. Hafindra atsy
amin’ny nosy Maurice izany, amin’ity.
Ezahin’ny federasiona ma­la­gasy ny hahavita ny fifaninanam-pirenena mialoha io volana febroary io, hahalalana izay ekipa hisolontena an’i Ma­da­gasikara amin’io fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina io.

Tompondaka

Partager sur: