“Tsy mitombina izany raha ny fomba fiasan’ny Ceni. Tsy mbola nisokatra hatramin’izao ny PV, fa mbola ao anatin’ny “palette” nametrahana azy”, hoy ny avy eo anivon’ny Ceni, miahy ny faritra atsimon’ny Nosy, Razafimamonjy Laza Rabary.
Namaly bontana ny nambaran’ny mpanao politika fa misy fitantanana an-tsoratra (PV) voka-pifidianana efa vita sonia. Manomboka izao ny fitaterana an’ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fifidianana mankany amin’ny distrika hatrany amin’ny biraom-pifidianana. Ao anatina baoritra iray no misy ny biletà tokana sy ny PV, izay tsy azo sokafana raha tsy eo anatrehan’ny delegen’ny kandidà na ny mpikamban’ny biraom-pifidianana amin’ny androm-pifidianana. Ahoana no ilazana fa misy PV efa vita sy voasonia? Mangataka porofo sy ny hitondra izany eo aminy ny Ceni raha misy tokoa, fa tsy tenitenenina fotsiny hanaratsiana azy.
Fanambiny ny hoe halain-tsary avokoa ny PV voasonia nifanatrehana tamin’ireo kandidà amin’ny androm-pifidianana. Izay no hamoahana ny voka-pifidianana mialoha amin’ny fomba haingana indrindra.
R. Nd.




