Fampiasam-bolan’ny kandidà : Miantso fanaraha-maso ny TI-IM

“Telo herinandro izay ny fampielezan-kevitra. Volabe tsy fanta-piaviana no ampiasain’ny kandidà sasany”, hoy ny tale mpanatanteraky ny Transparency International-Iniative Mada­gas­car (TI-IM), Rafitoson Ketakandrina, teny Ambaranjana, afakomaly, momba ny fampiasam-bolan’ny kandidà. Efa roa taona izay ny TI-IM no nitaky ny hanova ny lalàna mifehy ny fifidianana mba hampitovy tantana ireo kandidà. Nangatahan-dry zareo koa ny hoe tsy maintsy atao mangarahara ny loharanom-bola ampiasaina. Amin’izao, samy manontany hoe: avy aiza ny vola ampiasain’ireo kandidà?
Tsy fantatra ny loharanom-bola ampiasain’ny kandidà amin’ny fampielezan-kevitra, ka ataon-dry zareo ny antso amin’ireo tomponandraikitra mahefa. Anisan’izany ny Komity fanaraha-maso ny famatsiam-bola sy ny fiainana politika na ny Commission de contrôle du financement de la vie politique (CCFVP) hanazava ny amin’izany. Antsoiny koa ny Samifin sy ny Bianco, sao loharanom-bola mampiahiahy no ampiasain’ny kandidà amin’ny fampielezan-kevitra.

R. Nd.

Partager sur: