Vondron’ny kandidà: ho eny Ambohitrimanjaka ny “Hetsika fotsy”

Hitohy anio indray, ny hetsik’ireo Vondron’ny kandidà, ka hifamotoana eny amin’ny tetezan’Ambohitrimanjaka izy ireo, anio, manomboka amin’ny 11 ora atoandro. Tsy mbola voafaritra tahaka ny mahazatra ny toerana aleha sy ny hizorana amin’izany.
Efa nialohavan’ny fihaonana sy fivoriana samihafa izany ny talata sy alarobia teo. Anisan’izany ny dinika mikaton-trano nifanaovan’ireo kandidà sy ny filohan’ny Anteni­mierampirenena, Razanama­ha­soa Christine, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, afakomaly. Tsy nisy nipika ny dinika. Na izany aza, nambaran’ny filohan’ity Andrimpanjaka­na ity fa misokatra ho an’ny rehetra ny varavaran’ny Ante­nimiera. “Efa manomana ny fanelanelanana ny parlemantera taorian’ny fihaonany tamin’ireo kandidà”, hoy izy.
Etsy andaniny, nohitsiny fa tsy matahotra ny fanesorana azy eo amin’ny toerana maha filohan’ny Antenimierampire­nena azy ny tenany manoloana izao fihaonana tamin’ny vondron’ny kandidà izao. “Ny marina sy ny mangarahara no hampanjakaina ary mandalina hatrany ny demokrasia ny eto anivon’ny Antenimierampi­renena”, hoy izy.
Nialoha izany, nihaona tamin’ireo sendikà samihafa sy ny mpiasam-panjakana na koa ireo fikambanana isan-karazany ny vondron’ny kandidà. Natokana ho an’ny fihaonana samihafa ny afakomaly sy ny omaly ho azy ireo.

Synèse R.

Partager sur: