Tapitra amin’ity anio ity ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja baolina kitra, ho an’ireo mpianatra latsaky ny 15 taona, eny anivon’ny fitaleavam-paritry ny fampianarana manerana ny Nosy (DREN).
Hifarana, anio, ny fifaninanam-pirenena, eo amin’ny baolina kitra, hifanandrinan’ireo mpianatra sokajy U15, lehilahy sy vehivavy ary ny U13, lehilahy avy amin’ny fitaleavam-paritry ny fampianarana manerana ny Nosy (DREN). Tsiahivina fa kianja roa no mampiantrano izany, Ankadivoribe sy i Mahamasina. Ho an’ny eto Antananarivo, mbola misy lalao farany hatao eo amin’ny fifanintsanana. Aorian’izay, vao hiroso amin’ny ampahefa-dalana sy ny manasa-dalana ary ny famaranana.
Raha tsiahivina, ny U15, lehilahy izay mifaninana etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, mitarika vonjimaika ny CEG Référence Fitovinany, manana isa 17 arahin’ny CEG Ampahimanga Itasy, isa 16 ary CEG Mahabibo Boeny, isa 14.
Any amin’ny kianja Ankadivoribe kosa ny U15, vehivavy sy ny U13, lehilahy. Raha ho an’ny tovovavy aloha, voalohany ny CEG Ampahimanga Itasy, nahazo isa 15. Faharoa, CEG Morarano Alaotra Mangoro, isa 15. Samy manana isa 13 ny CEG Référence Fitovinany sy ny CEG Fandriana Amoron’i Mania.
Eo amin’ny U13, lehilahy, efa mazava fa lohany ny CEG Augagneur Atsinanana, manana isa 21. Manaraka azy ny Collège Référence Betsiboka sy ny EPP Belinta Boeny, manana isa 14 mitovy. Tsy hampiova ninoninona eo amin’ ny filaharana intsony ny lalao farany anio.
Aorian’ny famaranana, hiakatra avy hatrany hamonjy ny kianja Mahamasina izy ireo, toerana hanaovana ny lanonana fizarana ny amboara sy ny loka ho an’ireo mpandray anjara. Tsiahivina fa tafiditra ao anaty tetikasa “CAF African School Program”, izy ity ary hifantenana ireo handrafitra ny Barea, hiatrika ny Cosafa, hatao ny volana desambra, raha tsy misy ny fiovana.
Tompondaka