Nanao fanambarana ampahibemaso ny zanak’Androy, miasa sy monina eto Antananarivo, ny talata 31oktobra teo. Notsorin’izy ireo, fa hiasa hikarama hivelomana no anton-dian’izy ireo, ka niala tany amin’ny toerana niaviany. Voakasik’izany antso avo izany daholo, ny olona avy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, toy ny any amin’ny faritra Androy, avy amin’ny distrikan’Amboasary, Bekily, Beloha, ny any amin’ny faritra Anosy koa.
Nohamafisiny fa «tsy ekena ny fanaovana fitaovana anay hanonganam-panjakana, entina hampiasana hery, hitoraka na hampiasa lefona, na hamaky barazy. Tsy ho avy eny amin’ny 13 mey izahay na ho karamaina 10 miliara Ar aza,….».
Namintinan’izy ireo azy, «ho filohan’ny Malagasy rehetra izay ho lany amin’ny fifidianana eo. Izay hampandroso ny firenena ny tanjona».
Njaka A .