Fikaroham-bahaolana : nandray ny Antenimiera sy ireo tangalamena ny FFKM

Miditra amin’ny dingana faharoa ny fanelanelanana. Nanao ranolava ny fandraisan’ireo raiamandrenim-piangonana ireo sokajin’olona sy avy amin’ny sehatra samihafa, omaly, tetsy Ampandrana. Tafiditra amin’ny ezaka tanterahin’ny FFKM ho fikarohana vahaolana manoloana ny toe-draharaham-pirenena izany, araka ny loharanom-baovao. Anisan’ny noraisin’izy ireo tamin’izany ny eo anivon’ny Ceni. Efa fanintelony izao no nandraisan’ireo filoham-piangonana ireo ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity. Tao­rian’izany ny fandraisana ny filohan’ny Antenimierampire­nena, Razanamahasoa Chris­tine. Fanindroany izao no nihaonany tamin’ny FFKM. Efa nandray azy manokana ireo raiamandreny ara-pinoana ireo ny faran’ny volana septambra teo, ankoatra ny nandraisan’izy ireo ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent sy ny filohan’ny Antenimieran­doholona teo aloha, Razafi­mahefa Herimanana tamin’
izany fotoana izany.
Nitohy tamin’ny fihaonana teo amin’ireo Olobe sy Tan­galamena ary koa raiaman­dreny ara-drazana izany fandraisan’ny FFKM ireo soka­jin’olona ireo. Tonga eto An­tananarivo rahateo amin’izao fotoana izao ny ankamaroan’ireo solontenan’ny Ampanjaka manerana ny Nosy ireo.
Tsiahivina fa fivoriana nikaton-trano, tsy azo natrehina avokoa izao notarihin’ny FFKM niaraka amin’ireo sehatra samihafa ireo izao.

Synèse R.

Partager sur: