62 taona ny Holafitra : vitsy anisa ny mpahay kaontim-bola

Miisa 170 ireo mpahay kaontim-bola am-perinasa. Manampy ny orinasa sy ny mpitantana amin’ny fitanam-bola ary ny fitsirihana izany, izy ireo. “Vitsy anisa saingy afaka mi­sahana ny asa misy eto an-toerana ny mpahay kaontim-bola”, hoy ny filohan’ny Holafitry ny mpahay kaontim-bola, Andriamisa Ravelomanana, tetsy Andohatapenaka, omaly. Maro anefa ireo manao io asa io an-tsokosoko sy tsy manara-dalàna. Tsy anisan’ny mpikamban’ny Holafitra. “Tsy azo antoka ny vokatra azo avy amin’ireny mpanao ny asan’ny “experts comptables” an-tsokosoko ireny”, hoy ihany izy. Ilaina ny fananana mari-pahaizana manokana sy fizaran-draharaha telo taona alohan’ny hanatanterahina ny fanadinana farany ho an’ ireo mpahay koantim-bola. Marihina fa mankalaza ny faha-62 taonany ny fikambanan’ny Holafitry ny mpahay kaontim-bola amin’ity taona ity. Misy, araka izany, ny varavarana misokatra, etsy amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka nanomboka omaly ary hifarana anio.

Tsiferana R.

Partager sur: