Ramamimampionona: “Vahaolana ve ny kianjan’ny 13 mey ?”

Fanontaniana zavontany izao… “Raha vao miteny hoe kianjan’ny 13 mey isika, zavatra mampihorohoro izany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Rama­mimampionona Gérard. Lasa ao anatin’ny saina amin’izany ny hoe: tena tsy maintsy entina eny tokoa ve izay ho sorona? Na izay ny tena hoe tolona vao mety… Na koa hoe tsy misy avela mankeny ve fa tsy maintsy misy fampiasan-kery ho an’ireo ho avy eny amin’ny ilany?
Mahalala ny Tafika fa tsy maintsy hisy ny fifandonana. Ny iray miaro ny toerana misy ny tantara, tsy maintsy hampiasa hery hatrany koa ve? Izany ve no vahaolana? Ny fifampitsapan-kery, ny fifandonana, ny fifandratrana, ny fifamonoana… Izany ve sisa no vahaolana hitan’ny olon-dehibe eto amin’ny firenena? Eo ny manampahefana, ny olon-dehibe eo amin’ny sehatra ny ambaratonga samihafa araka ny andraikitra
misy azy. Nefa namaha olana inona izay, fa tsy fiverimberenan’ny tantara? “Sao tokoa hojerena any ifotony: inona no tena fototry ny olana eto amin’ny firenena? Fa tsy ny vahoaka sy ny fitaovam-piadiana, sanatria, no atao hoe hifandona”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: