Fifandraisan-davitra : nivoaka ny 037 an’i Orange Madagascar

Hitombo ny laharam-pifandraisana eo anivon’i Orange Madagascar. Azo jifaina eny amin’ny botika orange, manomboka ny talata 7 novambra izao, ny laharana 037 izay manamafy ny 032. Mitovy amin’ny tolotra sy ny fampiasana ary ny tombontsoa azo hatramin’izay tamin’ny laharana 032 ny 037. Porofo izao fa mifampitohy ny fifandraisan-davitra. Tsy nitsahatra nanome fahafaham-po ny mpanjifa manerana ny Nosy ny Orange Madagascar nandritra ny 20 taona. Hanamafy ny fifandraisana any amin’ny tany lavitra no tanjona napetrak’ity orinasa ity nanomboka ny taona 2021. Nohamafisina, manaraka izany, ny tambajotram-pifandraisana sy ny fotodrafitrasa mifandraika amin’izany. Tanjona apetraky ny orinasa ny ho mpamatsy ny tolotra nomerika eto Madagasikara, hampifandraisana ny mpanjifa anaty tambajotra iray, Orange.
Manana tolotra isan-karazany ny Orange Madagascar, hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Misy ny tolotra internety sy antso ary fandefasana someso amin’ny vidiny mora indrindra hanakaikezana ny rehetra sy hampifandraisana ny olon-drehetra maneran-tany.

Henintsoa H.

Partager sur: