Vita sonia, ny talata teo, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Rwanda Tourism Chamber (RCOT) sy ny confédération du tourisme de Madagascar (CTM) ho an’ny fampiroboroboana ny fizahantany amin’ny firenena roa tonta. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny hetsika ara-toekarena “Business forum Rwanda-Madagascar” nokarakarain’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) sy ny Rwanda Development Board (RDB) izay tohanan’ny tetikasa PIC Madagascar, ny volana aogositra teo. Tanjona ny handroso iombonana sy ny hizara fahalalana ary hitondra zava-baovao iraisana ho an’ny sehatry ny fizahantany. Niara-nanao ity fifanaraham-piaraha-miasa ity ny ny filoha lefitry ny CTM, Razafimahefa Tojosoa Lytah, sy ny tale jeneralin’ny RCOT, Frank Gisha Mugisha. “Mampivoatra ny fizahantany ny roa tonta, hametraka sehatra matanjaka sy maharitra izao fifanaraham-piaraha-miasa izao. Samy hampahafantatra an’izao tontolo izao ny kanto sy hanasogadina izay mampiavaka azy avy ny firenena roa”, hoy
i M.Mugisha
Fanamafisana
Mazava ny fifanarahana natao sonia izay hanome vahana ny fiaraha-miasa sy hanamafisana ny fahaiza-manao ary ny fampiroboroboana ny tsenan’ny fizahantany. “Mitovy ny fomba fijery amin’izao fiaraha-miasa izao. Samy maneho ny fahavononany na i Rwanda na i Madagasikara hanamafy ny fahaiza-manaony sy hampiroborobo ny fizahantany, mba hampidi-bola ho an’ny firenena roa tonta”, hoy kosa Razafimahefa Lytah. Notsindriany manokana ny paikady hoenti-manatanteraka ny asa rehetra.
Henintsoa Hani