Nitondra fanazavana manoloana ireo resabe sy tsikera momba azy ny eo anivon’ny Ceni, omaly. Nambaran’ny filohany, Andrianarisedo Dama fa efa vonona amin’ny firosoana amin’ny fifidianana izy ireo.
Notsiahiviny fa anisan’ny efa vita ny famaranana ny lisi-pifidianana ka maherin’ny 11 tapitrisa ireo mpifidy. Efa tonga ny bileta tokana sy ireo antontan-taratasim-pifidianana. Efa voazara hatrany amin’ny 85% ny kara-pifidianana.
Henon’izy ireo koa anefa ny tsikera sy ny fanelezana ny vaovao tsy marina. Anisan’ izany ny biraom-pifidianana sy fokontany matoatoa. Ny tatitra (PV) efa voasonia mialoha ary ny fampidirana mpifidy 150 anaty lisitra. Manampy izany ny anarana miverimberina anaty lisi-pifidianana. Nohitsiny fa tsy mitombina avokoa izany… “Fanasoketana vahoaka sy finiavana hanely vaovao tsy marina ny ataon’ny sasany. Aoka hitondra porofo fa handraisana fepetra izany raha tena mitombina”, hoy izy.
Nanteriny fa efa nisy ny fitsirihan’ny Frankofonia sy ny avy amin’ny antoko Tim ny lisi-pifidianana ka nilazany fa azo ampiasaina izany. Nisehoana fanitsiana vitsivitsy ihany anefa, araka ny nambarany.
Madio tanteraka ny tokotany
Etsy andaniny, nambarany fa tsy miandany ary tsy mitanila ny Ceni. “Aoka tsy hofahanana lainga ny vahoaka. Ento ny fandaharanasanareo hotsarain’ny vahoaka fa atsaharo ny fankahalana anay. Tsy mahasoa ny halako bika tsy tiako tarehy fa manimba antsika”, hoy izy. Nampanantena ny tenany fa tsy tokony hipetraka ny ahiahy. Madio tanteraka ny tokotany. Milamina ary tsy misy olana ny famatsiam-bola hiatrehana ny fifidianana. Niantso ireo mpiasam-panjakana tsy hiandany ny tenany. Tsy azo ekena kosa anefa ny fihoaram-pefy, ny faniratsirana, ny fanompana sy ny fihantsiana, araka ny nambarany.
Afaka mitaraina ireo manana fanamarihana. Ireo mpanara-maso koa nomena alalana.
Synèse R.