Hetsi-bahoaka : tsy atao sorona intsony ny renivohitr’ i Madagasikara

Hetsika roa samy hafa no hisy eto an-drenivohitra, anio. Andaniny, ny mpanao propagandy. Ankilany, ireo hanao amboletra hiditra ny kianjan’ny 13 mey. Na inona fitakiana, tsy tokony hatao sorona An­tananarivo. Manoloana izany, nisy ny fampiantsoan’ny mpanatanteraka eo anivon’ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra an’ireo mpanolotsain’ ny Tanàna, omaly. Tapaka tamin’izany ny fandraisana ny fepetra rehetra hitandroana ny filaminana sy hiarovana ny fananam-bahoaka tsy ho simba. Tsy azo anaovana hetsika politika, manoloana ny Lapan’ny Tanàna sy ny manodidina azy. Nanamafy ihany ny mpanolotsain’ny Tanàna fa miara-mientana ho fiarovana ny renivohitr’i Madagasikara. “Tsy azo ekena, noho izany, ny hanaovana hetsika ho amin’ny fanonganam-panjakana sy ny hanakorontanana ny eto an-drenivohitra”, hoy izy ireo.
Mifanindran-dalana amin’ izay, zava-dehibe ny fisorohana ny korontana izay miteraka fitaintainana isan’andro ho an’ny mpianatra sy ny mpiasa ary ny mpivarotra. Manginy fotsiny ny fanelingelenana ireo mpampiasa lalana. Zary miaina anaty tebiteby ny mponina sady manahy fifandonana. Tsy te hiaina intsony ny tranga tamin’ny 1991, 2002, 2009 anefa Antananarivo.
Saro-piaro amin’ny Tanàna iombonana ity ny vahoakan’ Iarivo. Anisan’izany ny tomponandraikitra voalohany, ny ben’ny Tanàna, Andriantsito­haina Naina. Ity farany izay saro-piaro amin’ny zava-bita sy ny fotodrafitrasa. Mana­mafy ny mpanatanteraka sy ny mpanolotsaina fa tsy azo ekena ny hanaovana sorona an’Antananarivo sy ny fanaovana ho takalonaina ny fiainana andavanandron’ny mpo­nina.

Randria

Partager sur: