Letisia : hanomboka tsy ho ela ny taom-piotazana

Mampalaza sy mampiavaka ny volana novambra ny taom-piotazana letisia any amin’ny faritra atsinanan’i Madaga­sikara. Efa nanara-maso akaiky an’ireo vokatra ireo ihany koa ny Centre technique horticole de Toamasina (CTHT), izay nanamarika fa hanomboka afaka telo herinandro ny taom-piotazam-bokatra any an-toerana.
Tsy mifanalavitra tamin’ny taon-dasa ny taom-piotazana amin’ity taona ity mba hanamorana ny fanondranana any ivelany, araka ny fanadihadiana nataon’ny CTHT, ny 13 oktobra teo. Izany hoe, hanomboka ny 21 novambra izao izany.
Betsaka ny rotsakorana sady nafana ny andro. Inoanay fa ho tsara ny vokatra raha tsara hatrany ny toetr’andro, araka ny fanazavana voaray hatrany. Notohizany fa ho betsaka ny vokatra letisia masaka manodidina ny 21 sy ny 24 novambra izao.
Marihina fa anisan’ny mandray ny vokatra avy eto Madagasikara ny ao Eoropa. Tsara kalitao ny vokatra avy eto an-toerana na amin’ny hangeza na amin’ny tsiro.
Fotoana mahavokatra voankazo maro samihafa koa ny volana novambra sy desambra.

Henintsoa H.

Partager sur: