Vola : mitombo ny lelavola kirakiraina

Mahatratra 4 897,3 miliara Ar ny lelavola nokirakiraina teto Madagasikara, ny taona 2022. Tafakatra 8,8% ny taha raha oharina ny taona 2021 teo amin’ny fampiasana izany. Manodidina ny 4 501,7 miliara Ar ny lelavola nokirakiraina roa taona lasa izay, anisan’ny be mpampiasa tamin’izany ny vola 20 000Ar, araka ny tatitra navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Maha­tratra 26,1% ny taha fampiasana ny vola 20 000Ar teto amin’ny firenena Malagasy, ny taona 2022. Manaraka azy ny vola 100Ar, amin’ny taha 18,8%. Nambaran’ny BFM hatrany fa anisan’ny nanamarika ny taham-pikirakiram-bola tamin’ny herintaona ihany koa ny vola 10 000Ar, amin’ny taha fampiasana 14% raha toa ka latsaka kelin’izay kosa ny vola 200Ar, izay 13,9%.
Lanja
Tafakatra 25% ihany koa ny famoahana lelavoka teo anivon’ny BFM, ny taona 2022, raha oharina ny taona 2021. Tonga hatrany amin’ny 2 177,2 miliara Ar izany raha 1 742,2 miliara Ar ny taona teo aloha. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny fampiasam-bola sa­mihafa ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena eto amin’ny firenena. Manodidina ny 4,9% ny fandrotsaham-bola eny anivon’ny BFM raha niakatra 6,7% ny taham-pisintomana. Izany hoe taham-pivoarana 17,4% ho an’ny fandrotsaham-bola raha 17,5% ny taham-pisintomam-bola. Fiakarana azo tamin’ireo asa sy fandaharanasa ho an’ny fampandrosoana ny toekarena tamin’ny taon-dasa avokoa izany, araka ny tatitra voaray.

Henitsoa Hani

Partager sur: