Hifarana anio sabotsy 4 novambra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy U23 lahy sy vavy, Volley-ball, tanterahina any Mahajanga. Samy tafakatra famaranana avokoa ny GNVB lahy sy vavy, araka ny voka-dalaon’ny dingana manasa-dalana notontosaina omaly. Mampiseho ny maha ekipa kalaza azy ireto mpilalaon’ny Zandary ireto ary hatrany am-panombohan’ny fifaninanana no efa nampiseho ny tanjany izy ireo. Raha ny vokatra omaly, nandresy ny ekipan’ny MVBC Boeny, tamin’ny seta 3 no ho 1, ny GNVB l, teo amin’ ny sokajy vehivavy, ka nahazo ny tapakila hiatrehana ny famaranana anio. Tetsy ankilany, nandavo ny ASI, tamin’ny isa 3 no ho 1, kosa ny Bi’As. Araka izany, hifanandrina amin’ity famaranana anio ity, eo amin’ny sokajy vehivavy, ny GNVB sy ny Bi’As. Teo amin’ ny sokajy lehilahy kosa, nahazo fandresena tamin’ny seta 3 no ho 0, nanoloana ny ekipan’ny ASI, ny GNVB. Nanamontsana ny ekipan’ny GSVBC tamin’ny seta 3 no ho 0 ihany koa ny GVBF. Hihaona amin’ny famaranana, araka izany, ny GNVB sy ny GVBF.
Mi.Raz
Voka-dalao manasa-dalana
Sokajy vehivavy : GNVB 3 – MVBC BOENY 1- Bi’As 3 – ASI 0
Sokajy lehilahy : GNVB 3 – ASI 0 GVBF 3 – GSVBC 0