Kandidà Andry Rajoelina ; “Hanova ny tantara isika eto Vakinankaratra”

Nitohy tany Antsirabe rehefa avy any atsimon’ny Nosy ny kandidà Rajoelina Andry, omaly. Nanteriny fa tsy misy hahasaraka ny fitiavany amin’ny any Vakinankaratra.

Nambarany fa na eo aza ny fanirin’ny kandidà sasany ny tsy hitiavan’ny vahoakan’ Antsirabe azy, voaporofo anefa izany fa tia an’i Andry Rajoelina sy tian’i Andry Rajoelina ny any an-toerana. Nohitsiny fa tsy maintsy mandroso sy tsy maintsy mandresy miaraka amin’ny vahoakan’i Vakinan­ka­ratra. “Tsy misy ahafaka ny fitiavan-tanindrazana sy ny ra mikoriana ato anatiko amin’ny fampandrosoana an’i Mada­gasikara sy ny eto Antsi­rabe…”, hoy izy. Notanisainy tamin’izany ny fahatanterahan’ny fampanantenana natao tany an-toerana. Anisan’izany ny fotodrafitrasa ka nahavitana ny kianja manara-penitra, ny nananganana oniversite maoderina sy raitra ary tsara ka hamitana azy hatramin’ny farany. Ny nanaovana EPP lehibe indrindra mahazaka mpianatra 1 200. Ny nanamboarana ny lalana, mihazo an’Ambositra…
Notsindriny fa tokony ho filamatra ho an’ny hafa ny any Antsirabe satria tsy nihemotra na inona midona na inona mitranga ary tsy maintsy mandresy na avy aza ny orana… Manantena ny tenany fa hanova ny tantara ny ao Antsirabe. Notsiahiviny fa nanamboarana fotodrafitrasa ny 5 taona voalohany. “Na­nenjehana ny fahatarana ny fampandrosoana izany fa hanampiana ny vehivavy sy ny marefo ary ny tanora ny 5 taona manaraka… Ilaina ny filoham-pirenena tanora sy mavitrika ary mahavita azy”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: