Voafehin’ny mpitandro filaminana ny hetsika nataon’ireo mpiakanjo fotsy manara-dia ny Vondron’ny kandidà 10 ny sabotsy teo. Nandamoka ny fikasana hiditra tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Niainga avy tamin’ny toerana samihafa ireo mpitolona nanomboka tamin’ny 11 ora atoandro. Nanaparitaka azy ireo tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana. Nisy tamin’ireo mpitokona no nitora-bato ny zandary sy ny polisy teny an-kianja. Teo koa ny fandorana kodiarana sy ny fako ary koa ny fametrahana sakana teny amin’ny lalana.
Tsy nilefitra anefa ny mpitandro filaminana nanoloana ity hetsika tsy nahazoana alalana ity fa niezaka nifehy sy nametraka ny filaminana tamin’ireny toerana ireny.
11 ireo voasambotra
Nahitana fipoahana lakrimozenina avokoa ny faritra nifamezivezen’ireo andian’olona sasantsasany ireo. Anisan’izany ny teny Antaninandro, Andravoahangy ambony, Ankadifotsy, Ampefiloha, Ankazomanga sy Antanimena hatreny Isotry. Nahatratra 11 mianadahy ireo voasambotra, raha ny tatitry ny Prefektioran’ Antananarivo. Olona fito kosa no naratra ka telo amin’izany mpanao gazety raha efatra kosa ireo mpitandro filaminana. Marihina fa hitohy ny hetsika ataon’ireo vondron’ny kandidà miisa folo ho an’ny anio. Anisan’ny hotakin’izy ireo ny hamoahana ireo nosamborina.
Randria