Samy miandrandra ny fanohizana ny AGOA hatramin’ny taona 2025 ireo firenena afrikanina mpisitraka ny tetikasa nandritra ny fivoriana iraisam-pirenena andiany faha-20, tany Johannesbourg.
Nifarana ny sabotsy teo, ny andiany faha-20, ny “forum African growth and opportunity act (AGOA)” eo amin’i Etazonia sy ny tapany atsimon’i Afrika, izay natao tany Johannesbourg, nanomboka ny alakamisy teo. Nivory nandritra ny telo andro ireo delegasiona avy any Etazonia sy ireo solontenan’ny firenena 35 mpisitraka ny tetikasa nandinika ny fanohizana ny AGOA hatramin’ny taona 2025. Nisolontena an’i Madagasikara ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, niaraka tamin’ireo delegasiona notarihiny. Anisan’ny nisitraka tombontsoa betsaka tamin’ity tetikasa ity i Afrika Atsimo sy i Nigeria. Firenena nampiakatra ny vokatra aondrana any Etazonia kosa i Madagasikara, Maorisy, Lesotho, ho an’ny fampiroboroboana ny toekareny. “Nahazo tombony kokoa raha oharina amin’ireo firenena 35 hafa tamin’ny fampitomboana ny vokatra fanondrana ireo firenena ireo”, araka ny fanazavan’i Sophie Mokoena, matihanina eo amin’ny raharaha ara-barotra. Notohizany fa nisy ny ezaka nataon’ireo firenena ireo tamin’ny fepetra takina amin’ny fanondranan’entana mankany Etazonia.
Fanavaozana
Samy miandrandra ny fanavaozam-panekena ny tetikasa hatramin’ny taona 2025 ny firenena mpisitraka ny AGOA. Nanome toky ihany koa ny filoham-pirenena Amerikana, Joe Bidden, fa vonona hanamafy ny raharaham-barotra hatramin’ny taona 2025 ho an’ny tombontsoa ara-toekaren’ireo firenena afrikanina. Notohizany fa miantoka ny hoavy rahampitso i Afrika, ka mandroso izao tontolo izao rehefa mandroso ny firenena afrikanina.
Henintsoa Hani