Salon du chololat : nahaliana ny maro ny sokola malagasy

Maro mpanjifa ny sokolantsika ary nisy mpanafatra nifanaiky hividy sahady nandritra ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny sokola (salon international du chocolat, 2023), tany Paris Frantsa, ny 28 oktobra hatramin’ny 01 novambra teo. Nahaliana ny mpitsidika ny sokola vita eto Madagasikara. Afa-po ihany koa ny kaoperativa UCLS Ambanja sy ireo mpanondrana kakao sy sokola malagasy tamin’ny fandraisany anjara tamin’ny hetsika. Voahosotra ho tsara kalitao indrindra (“cacao fin 100%”) maneran-tany rahateo ny kakao malagasy vao tsy ela akory izay.
Ambohipihaonan’ireo mpanondrana sy mpanafatra kakao sy sokola eran’izao tontolo izao ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny sokola, ny herinandro teo. Nisy ny atrikasa nampahafantarana ny kakao avy eto Madagasikara sy ny manodidina izany. Tao ihany koa ny tombontsoa azon’ireo tantsaha mpamokatra. Ankoatra izay, niakatra ny vidin’ny voankakao any amin’ny tantsaha noho ny fiakaran’ny filàna. Miezaka mampiakatra ny vidiny ihany koa ireo mpanondrana ny vokatra.
Etsy ankilany, nisy ny fanolorana milina nataon’ny minisitera, ahafahana mitoto ny kakao ho vovony ho an’ny faritra Ambanja. Tetikasa natao hampakarana ny vidin’ny kakao voahodina.

Henintsoa H.

Partager sur: