Volley-ball-“Coupe de Mada U23” : nanao pao-droa ny ekipan’ny GNVB

Nikatona tanteraka, ny sabotsy lasa teo, tao Mahajanga, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasi­k­ara, sokajy latsaky ny 23 taona, taranja Volley-ball, taom-pikatrohana 2023.

Nanao pao-droa ny ekipan’ny GNVB Analamanga. Norombahin’ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena avokoa ny amboara, na ny teo amin’ny sokajy lehilahy izany, na ny sokajy vehivavy, nandritra ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara U23, taona 2023 ity. Fandresena efa nampoizina ihany, raha ny dingana nodiavin’ny ekipa tao anatin’izay herinandro nifaninanana izay. Raha hiverenana izay voka-dalaon’ny famaranana izay, nanjakazaka tanteraka ny GNVB, vehivavy, nanoloana ny ekipan’ny Bi’As Analamanga. Toy ny efa mahazatra, seta 3 no ho 0 (25-14/25-9/25-21) no nandavoan’ny GNVB ny Bi’As. Mora ho an’ny Zandary ny seta voalohany sy faharoa ary niezaka nanenjika ny Bi’As tamin’ny seta fahatelo saingy tsy afa-bela. Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, tsy azo lazaina ho maivana ny mpifanandrina tamin’ny GNVB tamin’ny famaranana satria niady ihany ny lalao. Nohamafisin’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Volley-ball, Raoelison Hasimbola Famonjena ihany koa, fa niakatra be ny haavo teknikan’ny ekipan’ny CVBF tamin’ity fifaninanana ity. Na teo aza izany, nanantombo hatrany ny GNVB ka voahosotra ho tompondaka tamin’ny seta 3 no ho 1 (25-21/25-20/21-25/25-23) nanoloana ny CVBF.

Laharana fahatelo ny MVBC sy ny ASI

Notontosaina ny sabotsy teo ihany koa ny lalao fiadian-toerana fahatelo. Tafapetraka laharana fahatelo, teo amin’ny sokajy lehilahy, ny ASI rehefa nandavo ny ekipan’ny CSVBC, tamin’ny seta 3 no ho 1. Ny ekipan’ny MVBC kosa no nahazo ny fahatelo teo amin’ny sokajy vehivavy, rehefa nandresy ny ekipan’ny ASI, tamin’ny seta 3 no ho 2. Lalao anisan’ny tena niady ihany koa. Araka ireo voka-dalao ireo, nisongadina tanteraka ny ekipan’Analamanga tamin’ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara U23, lahy sy vavy, taona 2023 ity. Ankoatra ny anaram-boninahitra mantsy, mbola azon’Analamanga ihany koa izany ny laharana faharoa teo amin’ny sokajy vehivavy, tamin’ny alalan’ny Bi’As sy ny laharana fahatelo teo amin’ny sokajy lehilahy, tamin’ny alalan’ny ASI.

Mi.Raz

Fiadiana ny laharana fahatelo :
Vehivavy
ASI 2 VS MVBC Boeny 3
Lehilahy
ASI 3 CSVBC 1

Famaranana
Vehivavy
GNVB 3 (25, 25, 25) VS BI AS 0 (14, 9, 21)
Lehilahy
GNVB 3 (25, 25, 21, 25) VS CVBF 1 (21, 20, 25, 23)

Partager sur: