Nankatoavin’ny Cites ny hampiasan’ny fanjakana ny hazo voamboana tsy ara-dalàna
giazany. Tsy nasian-teny kosa ny hazo andramena, na isan’ny efa takin’ny mpanao asa
tanana hatry ny ela aza izany, satria tsy misy ny akora fototra toy ny fanaovana asa sokitra.
Maro ny tahirin-kazo voamboana giazan’ ny fanjakana, hita eny amin’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Dredd) samihafa eto amintsika. Araka ny lalàna, mifanaraka amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena mifehy ny biby sy ny zavamaniry (Cites), voarara tanteraka ny fitrandrahana, ny fikapana, ny fitaterana, ny fivarotana ary ny fanondranana any ivelany, ny hazo sarobidy ka isan’izany ny andramena, ny voamboana, ny hazomainty, tafiditra ao anatin’ny sokajy faharoa, tovana II. Nandroso soso-kevitra ny fanjakana malagasy, notarihin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd), Rtoa Vina Marie Orléa, tany amin’ny fivoriana an-tampony faha-19 ny Cites, natao ny tany Panama, ny 14-25 novambra 2022 teo. Fehin-kevitra naroso ny fahafahana mampiasa ny hazo voamboana tsy ara-dalàna giazan’ny fanjakana. Nankatoavin’ny Cites izany soso-kevitra izany, ho azo ampiasaina eto an-toerana, ka hojeren’ny tomponandraikitra ny hanatanterahana azy.
Nitaky fepetra anefa ny Cites amin’ity fanapahan-kevitra ity, ny hametrahana rafitra maty paika amin’ny lafiny fiarovana ireo tahiry ireo. Ao anatin’izany ny hisian’ny paikady hamantarana mazava ny niaviana sy ny lalana handehanan’ireo hazo. Efa nanomboka izany ny Medd any amin’ny faritra roa eto amintsika.
Tsy voaresaka ny andramena
Tsy voaresaka kosa ny mikasika ny hazo andramena, izay efa manodidina ny 10 taona ireo tahiry giazan’ny fanjakana. Maro amin’izy ireny no mipetra-potsiny eny amin’ny Dredd, na ny toby zandary, na efa nitaky aza ny fikambanana Fiarahamonim-pirenena sy ny mpanao asa tanana ny tokony hivarotana azy ireny eto an-toerana.
Anisan’ny tinapaka tany amin’ny fivoriambe Cites koa ny nampidirana ny hazandrano antsantsa sy ny dingadingana an-dranomasina (concombre de mer) ao anatin’ny tovana II, satria efa mihamihena ny isan’izy ireo.
Njaka Andriantefiarinesy