Tapaka efa ho herinandro mahery ny tambajotra, miainga eo Anosizato hatrany Sovinandriana. Nidina nitety ireo toerana tsy mbola mahazo herinaratra ny ekipan’ny Jirama, notarihin’ny tale jeneraly lefitra misahana ny herinaratra, Randrianarisoa Désiré Marcel, omaly, alahady 27 novambra.
Nohazavaina tamin’ny mponina ny antony teknika nahatonga ny voina, ny fizotry ny fanarenana ny asa. Isan’izany ny nanapahan’ny Jirama hevitra, amindrana eny Alakamisy Fenoarivo, ny vata mpanova herinaratra Swer izay tsy may, teny Anosizato. Efa manomboka ny asa ary tombanana ho vita ao anatin’ ny herinandro farafahatarany.
Voavaha amin’ny ampahany
Nampahatsiahy ny Jirama, fa nipoahan’ny varatra ny vata mpanova herinaratra (transformateur) iray teny Anosizato. Mamatsy herinaratra mankany Ampitatafika, Fenoarivo, Alakamisy, Imerintsiatosika, Miarinarivo, Analavory ary Sovinandriana.
Mizara roa ny tambajotra mamatsy ny tapany andrefana miainga eny Anosizato. Taribin-jiro “triphasé” mitondra tanjaka 35.000 V, ny iray. Faharoa, entin’ny tambajotra Swer, 35.000 V ihany koa, saingy “monophasé”, izay nipoahan’ny varatra teo, fa niaraka tapaka izy roa. “Be ny fahavoazana ka tsy maintsy hanafarana solony avy any ivelany”, hoy ihany ny Jirama.
Voavaha amin’ny ampahany ny olana, saingy misy ny toerana tsy mbola mahazo hatramin’izao.
Njaka A.