Naneho ny tsy fahafaliana: nidina an-dalambe ny tany Antanetimboahangy

Tsy faly ny mponina sy ny mpanjifa manoloana ity tsy fisian’ny herinaratra any
amin’ny tapany andrefan’ Anta­­na­narivo ity. Nidina an-dalambe ny mponina any Antanetimboahangy, mandalo ny lalam-pirenena voalohany (RN 1), kaominina Analavory, distrika Miarinarivo, ny zoma 25 novambra teo.

Ny fiafaran’ny tolakandro, manodidina ny tamin’ny 5 ora sy sasany teo no nitrangan’izany, ary tsy nitsahatra raha tamin’ny 7 ora hariva. Nilaza ny mponina iray any An­ta­netimboahangy, tsy nitonona anarana fa nahatonga izany hatairan’izy ireo fa niverina ny jiro tany amin’ny faritra hafa, toy ny teny Analavory, Ankorondrano, Ampefy, …, nefa tsy mandeha ny eny aminy, izay toerana mialoha iretsy voatanisa iretsy. No­marihiny fa nisy nitselatselatra kely teny amin’ny andrin-jiro any Antanetimboahangy, noheverin’ny mponina fa hiverina ny jiro, saingy tsy nandeha ary maty tanteraka ny herinaratra.

Tapaka nanomboka ny alakamisy 17 novambra ny jiro any an-toerana. Noha­zavainy fa efa nanaitra tany amin’ny tambajotra sosialy ny mponina sy niantso ny Jirama, saingy tsy nisy valiny. Efa niresaka koa ny ben’ny Tanàna sy ny Jirama tany an-toerana, fa tsy nahavaha olana ihany koa.

Njaka A .

Partager sur: