Tsy fahamatorana politika ny hetsiky ny kandida folo, araka ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul. Tamin’ny 1958, nisafidy ny sata repoblikanina i Madagasikara, mametraka fa amin’ny alalan’ny fifidianana no ametrahana mpitondra. “Inona no anaovana amboletra ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mey?”, hoy izy.
Mariky ny tolom-bahoaka ny kianjan’ny 13 mey, miteraka fionganan ’ny fanjakana. Izay hatrany: taona 1972, 1991, 2002, 2009. Tetiky ny mpanao politika rehetra: rehefa mankeny amin’ny “13 mey” dia hoe miaraka amin’ny vahoaka. Tsy voasakana ny tolona nentina teny amin’ny “13 mey” rehefa eo ny vahoaka. Ny hita nandritra izay herinandro maromaro izay: tsy misy vahoaka manaraka an’ireo kandidà folo. Tsy mahafeno ny fepetra hoe tolom-bahoaka izany.
Manaraka ny mpomba ny kandidà, rehefa manao hetsika amim-pilaminana toy
ny teny amin’ny Coliseum, Antsonjombe. Fa tsy manaraka ny olona raha hanonganam-panjakana, hitarika korontana, hifanehatra amin’ ny Tafika. “Tsy misy korontana eto, fa ny ao anatin’ny atidohan’ireo kandidà folo no mikorontana”, hoy ihany izy. Satria manatona ny fotoam-pifidianana, ary efa nilaza ny fiombonambe iraisam-pirenena fa tsy misy afa-tsy fifidianana no hametrahana mpitondra.
Ny ankoatra an’izay, tsy mahazo fankatoavana. “Aiza eto ambonin’ny tany no misy kandidà hilaza fa hanongam-panjakana?”, hoy hatrany izy.
R. Nd.




