Na tsy azo nidirana aza: nitohy ny fampianarana teny Analakely sy ny manodidina

Tsy voahelingelina ny fampianarana sy ny asam-barotra, omaly maraina, teny Analakely sy ny manodidina.
Ny Taxi-be sy ny mpampiasa lalana mandeha an-tongotra sy ny fiara madinika no tena sahirana.

Nitohy nilamina ny fampianarana teny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina, omaly maraina, na teo aza ny sakana nataon’ny mpitandro filaminana tsy nahazoan’ny fiara sy ny olona niditra. Mbola azo nifamezivezena tsara ny lalana niditra sy nivoaka teo amin’ny araben’ny fahaleovantena ny vao maraina fa nanomboka tamin’ny 9 ora sy sasany vao nakaton’ny mpitandro filaminana. “Tsy voahelingelina ny fizotry ny fampianarana ary nitony koa ny firavana ny atoandro”, hoy ny proviseur-n’ny lycée Jean Joseph Rabearivelo, omaly.

Tety amin’ny manodidina kosa, nilamina ny fiatrehana ny fampianarana ho an’ny teny Antanimena. Nisy zavatra nipoaka mafy tany ivelan’ny efitrano sekoly rehefa atoandro fa tsy nisy akony tamin’ny fizotry ny asa. Ny tapakandro maraina ihany koa no mianatra ny ankizy ka heverina fa tonga tany an-trano tsy nisedra olana ny rehetra rehefa nirava, hoy ny talen-tsekoly.

Ny mpivarotra teny Ana­la­kely afaka nivarotra ihany fa ny mpividy no voahelingelina satria tsy azo nidirana ny toerana. Sahirana hatrany ireo manao fitadiavana eny Ana­lakely sy ny manodidina rehefa misy savorovoro eny an-toerana . Olona mitady vola isan’andro ny ankamaroany ka tsy mihinana raha vao voatohintohina ny asany.
Nisavoritaka koa ny taxi-be mandalo ao Analakely, ny tapany maraina, raha mbola nizotra tsara ny fifamoivoizana ny vao maraina. Samy tsy nisy nanampo ny fanapahan-kevitra ny rehetra ka rehefa tonga teny vao nitady lalana hiverenana, ny mpitaingina sorena satria tsy tonga amin’ny toerana tokony hiafaran’ny zotra.

Vonjy

Partager sur: