“Tsy voasakana intsony ny hisin’ny fifidianana”, hoy izy, teny Anosy, afakomaly.
Efa misy ny lamina natao hoe amin’ny 16 novambra ny fifidianana filohan’ny Repoblika, fihodinana voalohany. “Hatramin’izao, mandeha amin’izay zotram-pifidianana izay isika”, hoy izy. Ny hevitry ry zareo vondron’ny kandidà ny hoe tsy handeha amin’izany. Anjarany izay. Efa ao anatin’ny biletà tokana ny anaran-dry zareo. Raha miteny izy hoe aza fidina izy ireo, an-dry zareo izany. Efa manao fampielezan-kevitra ara-dalàna ny kandidà hafa. Vao nanao fanambarana koa ny SADC farany teo: mandeha mankany amin’ny fifidianana i Madagasikara.
Tsy ahina ny hetsiky ny vondron’ny kandidà
Inona no mety ho sakana amin’ny fifidianana amin’izao? Tsy misy atahorana ny hetsiky ny vondron’ny kandidà. Na ny vahoaka aza tezitra amin-dry zareo fa tsy afa-mandeha amin’ny fivelomany noho ny hetsika ataon-dry zareo. Ny mety hiseho: misy vaovao azo hoe tsy voasakana intsony ny fifidianana, raha tsy misy iray maty ny kandidà. Amin’ireo kandidà ireo izany no misy manan-kevitra hamono ny iray amin’izy ireo mba hampijanona ny fifidianana. Efa handray fepetra ny amin’izay ny mpitandro filaminana amin’ny fiambenana ireo kandidà tsirairay. Raha hetsika tsy manara-dalàna, mihataka kely ny manao ny fiambenana azy ireo. Tsy afa-miaraka amin’ny hetsika tsy ara-dalàna ny mpitandro filaminana.
R. Nd.