Fahasalamana : olona 1 amin’ny 2 no voan’ny diabeta

Fitiliana diabeta maimaimpoana, ny 13 sy ny 14 novambra, hatao eny amin’ny Amadia Faravohitra, no hanamarihan’ny Amadia ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny diabeta. Araka ny fantatra, olona 1 amin’ny 2 maneran-tany no voan’ny diabeta nefa mbola tsy tonga saina amin’izany. Manohy ny andavanandrom-piainany ary tsy misy fitandremana.
Noho izany, ilaina ny fanamafisana ny fisorohana mba hamantarana haingana ny loza mety ho ateraky ny diabeta raha ny fanentanan’ny Amadia.
Afaka mitondra namana sy fianakaviana ireo izay maniry ny hanao fitiliana. Fotoana hahafantarana ny toe-pahasalamana sy hahafahana mandray torohevitra io. Hanaovana fanentanana amin’ny fitaizam-batana tokony hatao ho an’ireo olona diabetika na ankizy izany na lehibe.
Tsy aretina fa efa toe-tena mihitsy ny diabeta ka mila mahay miaina miaraka aminy. Manaraka ny torohevitry ny mpitsabo. Manaja ny fihinanana fanafody ary manao ny fitaizam-batana takiana. Eo koa ny fanaraha-maso akaiky ny fatran’ny siramamy anaty ra hahafahana mandamina izany tsy hitera-doza.

Tatiana A

Partager sur: