Fihaonana nikaton-trano : nandray ny iraky ny Sadc ny Pan sy ny FFKM

Mitohy ny fikaroham-bahaolana manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Anisan’ny manao izany ny vovonana iarahan’ny filohan’ny Antenimierampirenena (Pan), Razanamahasoa Christine, sy ny eo anivon’ny FFKM.

Noraisin’izy ireo teny Tsimbazaza ny iraky ny Sadc, omaly. Tsy nisy nipika ny dinika tamin’izany. Nambaran’ny loharanom-baovao fa anisan’ny anton’ny dinika rehetra tanterahin’ity vovonana ity amin’izao fotoana izao ny hirosoana amin’ny fampihaonana ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena.
Tsy an-kiato ny dinika eo amin’ny solontenan’ny FFKM sy ny filohan’ny Antenimiera ary ireo mpiara-miasa aminy, hatramin’ny nanambarana ny fijoroan’izany vovonana izany, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny tanjon’izy ireo ny hikarohana vahaolana maharitra ahatongavana any amin’ny fifidianana eken’ny rehetra, araka ny nanambaran-dRaza­namahasoa Christine azy, ny sabotsy lasa teo.

Raiamandreny ara-drazana

Tsiahivina fa anisan’ny noraisin’izy ireo teny Tsim­bazaza, ny 6 novambra teo, ireo raiamandreny ara-drazana, ny solontenam-piangonana, ny avy amin’ny sendika ary ny fiarahamonim-pirenena. Anisan’ny nodinihina tamin’izany ny firosoana amin’ny fifidianana. Niray feo ny rehetra amin’ny hisian’ny fifanatonana sy ny filaminana ary ny fampihavanana, araka ny nambaran’izy ireo hatrany.

Synèse R.

Partager sur: