Hetsika ho amin’ny fifidianana mampiaty. Nanolotra fitaovana ahafahan’ny olona jamba mifidy ny eo anivon’ny Ceni. Nandray fanapahan-kevitra araka ny nahim-pony ity rafitra misahana ny fikarakarana ny fifidianana ity ka nanolotra “Carton à braille” miisa 3 000, natonta ho amin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Atsofoka ao anatin’io fitaovana io ny bileta tokana ary afaka mamantatra ny laharan’ny kandidà tiany ny olona manana olana amin’ny fahitana.
Na izany aza, mbola voafetra ho eny amin’ny ivontoeram-pifidianana amin’ny renivohi-paritra aloha no voakasik’izao tetikasa izao.
Niara-niasa amin’ny fanatontosana izany ny eo anivon’ny Ceni sy ny Federasionan’ ny fikambanan’ny olona jamba. Nialohavan’ny fandraisan’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, ity federasionina ity izany.
Niompana amin’ny zon’ny jamba amin’ny fifidianana sy ny tsiambaratelon’ny latsabato ary ny fampiasana ity fitaovana manokana “Carton à braille”, ahitana ny laharan’ny kandidà amin’ny soratra mivoitra ity ny fihaonana.
Synèse R.