Tsy tokony hisy ny ahiahy ny amin’ny fahatongavan’ireo fitaovana amin’ny fifidianana eny amin’ny birao fandatsaham-bato amin’ny daty hanaovana fifidianana, araka ny fanazavan’ny ny tale kabinetran’ny Ceni, Andriamifidy Jean-Louis, ny amin’ireo fitaovana hanatanterahana fifidianana. Anisan’izany ny biletà tokana, ny fitanana an-tsoratra (PV), ny vata fandatsam-bato… “Efa nandray ny fepetra rehetra ny Ceni. Antenaina ho tratra tsara ny fe-potoana, raha tsy misy ny sampona na ankasomparana”, hoy izy. Distrika 80 mahery amin’ny 119 no efa nahazo ny azy amin’izao. Misy ny fitaovana sasany tsy mandalo distrika intsony fa any amin’ny kaominina avy hatrany, any amin’ireo toerana tena saro-dalana sy lavitra. Rehefa tonga eny anivon’ny distrika ireo entana ireo, aparitaka any amin’ny kaominina. Heverina fa amin’ny 13 novambra farafahelany no hahatongavan’izany, ary amin’ny 14 sy 15 novambra no efa samy mahazo ny azy avokoa ny isaky ny biraom-pifidianana. Azo hatrehina tsara ny fifidianana amin’ny 16 novambra.
R. Nd.