Nanome toky ny vahoakan’ny faritra Sava ny kandidà laharana fahatelo ny hitohizan’ny fananganana fotodrafitrasa mba hampisy fampandrosoana bebe kokoa eny ifotony. Nandritra izany ihany koa no nanolorany vahaolana mahakasika ny vidin’ny lavanila.
Nitohy tany amin’ny distrika maro, ao amin’ny faritra Sava, ny fampielezan-kevitry ny kandidà, Rajoelina Andry. Tao amin’ny kaominina Ampanefena, tao Andapa ary tao Antalaha no nanaovan’ny kandidà laharana fahatelo izany omaly. Tonga maro ihany koa ny vahoaka tamin’ireo tanàna ireo niatrika izany. Ankoatra ny fitanisana ireo zava-bita sy filazana ireo fanamby. Tena nisongadina tanatin’ny fandraisam-pitenenany ny resaka lavanila.
“Ataontsika izay fomba rehetra hahalafo ny lavanila ary tsy ho voambaka intsony ny tantsaha”, hoy Rajoelina Andry. Niaiky ity farany fa tsy misy ny tonga lafatra. Hisy ny fametrahana ny “Unité de transformation”, izany hoe, isika no mividy ny vokatra lavanila, izay vao aondrana.
Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fanamby napetrany tamin’ny vahoakan’ny faritra Sava. Anisan’izany ny fizarana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, ho an’ny tokantrano tsirairay. Natao izany mba hampihenana ny fandanian’ny isan-tokantrano sy ho vahaolana manoloana ny olan’ny Jirama.
Nandritra ny fampielezan-kevitra, tamin’ireo tanàna maro tany amin’ny faritra Sava no nanomezan’ny vahoakan’ity faritra ity toky fa tsy miala amin-dRajoelina Andry izy ireo. Anisan’ny tena namaha ny olana sy nanafaka ny fijalian’ny tao amin’ny faritra Sava, indrindra ny tao Vohémar, ny nahavitan’ny lalana Ambilobe-Vohémar.
Lin