Nanao tatitra ny fanaraha-maso ny fiainam-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, omaly, tetsy Antanimena. Anisan’ izany ny momba ny zotram-pifidianana ka nilazan’izy ireo fa ny omaly tsy miova ihany izany. “Mihen-danja sy miharatsy kalitao ny fampielezan-kevitra. Tsy ampy ny fanabeazana sy fanaikana ny mpifidy ataon’ny Ceni eny amin’ny haino vaky jery indrindra any amin’ny faritra ivelan’Antananarivo. Mitondra valin-kafatra tamin’ireo fanakianana nahazo azy ireo fotsiny ny hafatra nampitainy”, hoy izy ireo. Nambaran’ny KMF/Cnoe fa mahazo laka ny fizarana mety manohintohina ny fahafahan’ny tsirairay hisafidy. Anisan’izany ny vola sy ny fampitaovana. Zara fa misy ireo afisy eny amin’ny toerana natokana ho amin’izany, araka ny fanambarana.
Nohitsin’ny KMF/Cnoe fa maro ireo didy aman-dalàna tsy manaraka ny toetrandro intsony ka vao mainka manasarotra ny toe-draharaha.
Mitaky tatitra mazava avy amin’ny rafitra mpanara-maso ny fitantananam-bolan’ny kandidà “CCFVP”, momba ny vola rehetra nokirakiraina koa izy ireo.
Nampanantena ny KMF/ Cnoe fa hanara-maso ny fifidianana hatrany ny fikambanana ka handrakotra distrika 75 amin’ireo 119. Iarahana amin’ny Frankofonia ny 50 amin’izany. Maherin’ny 800 ireo mpanara-maso hanatanteraka ny hetsika ka mijanona any amin’ny foibem-pifidianana ny 679 raha mivezivezy kosa ny 99.
Synèse R.