Olana maneran-tany : herisetra mifototra amin’ny maha vavy ny aretina mamany lava

Vahaolana isorohana ny aretina mamany lava ny tsy firosoana amin’ny firaisana ara-nofo aloha loatra ka hitondrana vohoka. Ireo toerana lavitra toeram-pitsaboana matetika no ahitana ny tranga satria tara ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy mpiteraka.

Olana eo amin’ny fahasalamam-bahoaka maneran-tany ny aretina mamany lava miseho amin’ ny vehivavy saro-piterahana mila fandidiana (césarienne) nefa tsy nanao izany, noho ny antony maro ka niteraka ny faharovitan’ny tatavia ary mivadika ho mamany lava.
Maherin’ny 2 tapitrisa ny vehivavy tratrany ary ny 90% amin’ny tranga no hita aty Afrika sy Azia Atsimo. 100 000 isan-taona ny tranga vaovao voatily satria betsaka ny faritra tsy voarakotry ny fikarakarana ny fitsaboana manaraka ny fenitra, tsy ampy rahateo ny mpiasan’ny fahasalamana voa­ofana handray an-tanana. Herisetra mifototra amin’ny maha vavy (VBG) ny aretina mamany lava satria miteraka fanilikilihana eo amin’ny ankohonana sy ny fiarahamonina ary matetika miafina sy monina amin’ny toerana saro-dalana ireo voany. Ny fandidiana ihany no fitsaboana ny aretina mamany lava nefa lafo ny sarany fa manodidina ny 600 dolara ka tsy zakan’ny re­hetra.
4 000 ny isan’ny trangan’ aretina mamany lava voatily isan-taona, eto Madagasikara. Azo tsaboina amin’ny alalan’ ny fandidiana ny aretina mamany lava ka rehefa tsotra ny tranga, 99% ny taham-pahasitranana aorian’ny fandidiana. Ho an’ny tranga sarotra, 60% kosa ny taham-pahasitranana ary indraindray inenina miatrika fandidiana ilay vehivavy, hoy ny manam-pahaizana momba ny fitsaboana ny taovam-pivalanandrano sy ny taovam-pananahan’ny lehilahy, profesora Rantomalala Yoel. 13 ny hopitaly mandidy ny aretina ma­many lava eto Madagasikara ary 1 172 ny vehivavy niatrika fandidiana ny taona 2022.

Vonjy

Partager sur: