Mpikatroka anisan’ny nahavita dingana tsara indrindra hatramin’izao i Zo Aina, ao anatin’ny fifaninanana “World jiu-jitsu Championship”, tontosaina any Abu Dhabi. Sokajy Master, 85 kg, “ceinture marron” no nisy azy ka nahazoany io vokatra io. Mpikatroka 10 mahery no niara-niainga taminy, teo amin’ny ampahavalon-dalana, nandresy izy ka nahazo ny tapakila niatrehana ny ampahefa-dalana. Nahazo fandresena ihany koa izy teo amin’io ampahefa-dalana io ary niatrika ny manasa-dalana. Teo anefa no nilatsaka ka tsy nahatohitra ny mpifanandrina taminy. Mbola niady ny medaly alimo i Zo Aina saingy votsotra teo am-pelatanany izany ka teo amin’ny laharana fahefatra no nisy azy. Araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny jiu-jitsu, anio indray no hiatrika ny anjarany ireo Malagasy mpikatroka dimy mirahalahy sisa tsy nifaninana. Ahitana an’i Andy, i Tojo, i Tsinjo, i Diary ary i Fifaliana. Eo amin’ny sokajy “professionnel” no misy azy ireo. Aorian’izay, hikatona tanteraka ny fifaninanana “World Jiu-Jitsu Championship” ho an’i Madagasikara, izay nahitana Malagasy mpikatroka 12 mianadahy, teo amin’ny sokajy 4, dia ny Jeune, Amateur, Master ary ny Professionnel.
Mi.Raz